Romans 4

1Inona ary no ho lazaintsika fa hitan’i Abrahama, raintsika tany aloha araka ny nofo? 2Fa raha nohamarinina tamin’ny asa Abrahama, dia nanana antony hireharehana izy, nefa tsy eo anatrehan’ Andriamanitra. 3Fa inona no ambaran’ny Soratra Masina? ‘’Abrahama dia nino an’Andriamanitra, ary nisaina ho fahamarinana izany.”

4Ary ho an’izay miasa, ny karamany dia tsy isaina ho fahasoavana, fa ho toy izay trosa. 5Fa ho an’izay tsy miasa kosa nefa mino an’Ilay iray izay manamarina ny mpanohitra an’Andriamanitra, dia isaina ho fahamarinana ny finoany.

6Davida ihany koa dia manonona tso-drano amin’ny olona izay isain’Andriamanitra ho marina nefa tsy miasa. 7Hoy izy hoe: ‘’Sambatra ireo izay voavela ny helony, ary koa ireo izay voasarona ny fahotany. 8Sambatra izay tsy hisain’ny Tompo heloka.”

9Amin’ireo voafora ihany ve no hanononana izany tso-drano izany, sa amin’ireo tsy voafora koa? Fa hoy isika hoe: ‘’Ny finoana dia nisain’i Abrahama ho fahamarinana.‘’ 10Koa ahoana ary no nanisana izany? Tamin’i Abrahama efa voafora, sa tamin’izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’izy efa voafora fa tamin’izy mbola tsy voafora.

11Abrahama dia nandray ny famantaran’ny famoràna. Izany dia mariky ny fahamarinan’ny finoana izay efa nananany raha mbola tsy voafora izy. Ny valin’izany famantarana izany dia lasa rain’izay mino rehetra izy, na dia mbola tsy voafora aza izy ireo. Midika izany fa ny fahamarinana dia ho isaina ho azy ireo. 12Nidika koa izany fa Abrahama dia lasa rain’ny voafora tsy ho an’ireo izay voafora irery ihany fa ho an’ireo izay manaraka ny dian’ny finoan’i Abrahama raintsika ihany koa talohan’ny tsy mbola naha-voafora azy.

13Fa ny fampanantenana tamin’i Abrahama sy ireo taranany fa ho mpandova izao tontolo izao izy dia tsy avy amin’ny alalan’ny lalàna fa avy amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny finoana. 14Fa raha ireo izay miaina amin’ny lalàna no mpandova, dia ho foana ny finoana, ary tsinotsinona ny fampanantenana. 15Satria ny didy dia mitondra amin’ny fahatezerana, fa any amin’izay tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.

16Noho izany antony izany dia miseho amin’ny finoana izany, mba hipetrahan’ny fampanantenana amin’ny fahasoavana ary ho azo antoka amin’ireo taranak’i Abrahama rehetra_ tsy ho an’ireo izay ambanin’ny lalàna ihany, fa ho an’ireo izay mizara ny finoan’i Abrahama ihany koa. Raintsika rehetra izy, 17araka ny voasoratra hoe: ‘’Nataoko ho rain’ny firenena maro ianao.” Teo amin’ny fanatrehan’Ilay nitokiany Abrahama, dia, Andriamanitra izany, izay manome fiainana ireo maty ary miantso ireo zavatra tsy mbola misy mba hisy.

18Na dia teo aza ireo zava-mitranga ivelany, dia natoky tanteraka an’Andriamanitra i Abrahama amin’ny ho avy. Ka tonga rain’ny firenena maro izy, araka izay efa voalaza hoe: ‘’Ho tahaka izany ny taranakao.” 19Tsy narefo tamin’ny finoana izy. Fantatr’i Abrahama fa tsy afaka ny hanan-janaka izy (satria efa teo amin’ny zato taona teo izy). Nanaiky ihany koa izy fa ny kibon’i Saraha dia tsy afaka ny hitondra vohoka intsony.

20Nefa nohon’ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tsy nisalasala tamin’ny tsy finoana i Abrahama. Fa kosa, niha-nahery tamin’ny finoana izy ary nidera an’Andriamanitra. 21Resy lahatra tanteraka izy fa izay nampanantenain’Andriamanitra, dia afaka tanterahany ihany koa. 22Noho izany dia nisaina ho azy ho fahamarinana izany.

23Ary dia tsy nosoratana ho an’ny tombotsoany irery ihany izany, fa nisaina ho azy izany. 24Nosoratana ho antsika ihany koa izany, ho an’izay hanisana izany, isika izay mino Azy izay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty. Izy Ilay iray natolotra noho ireo fahotantsika ary natsangana mba hanamarina antsika.

25

Copyright information for PltULB